<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>14</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 O, ry tany rehetra, avia izao
 Hidera ny Tompo
 Mpanavotra anao
 Ny Tompo miantso
 antsika hankao
 Anatrehany, mba
 hohasoaviny ao :
 Dera, laza anie
 Voninahi-dehibe,
 Ho Anao, ry Tomponay
 Tsitoha ô !
 Amen.

[V2]
 He, Jehovah miantra
 antsika izao,
 Ka dia manolotra
 antsika indray
 Ny endriny mbamin'ny
 aina vaovao ;
 Eny, Izy Manaiky
 tokoa ho Ray
 Dera, laza, ..sns.

[V3]
 Asandrato ny feo hihoby
 hoe :
 Isaorana mandrakizay
 Hianao,
 Ry Tompo Mahery,
 Izay manome
 Ho anay olom-bery
 ny aina vaovao ;
 Dera, laza, ..sns.</lyrics>
<title>O, ry tany rehetra avia izao FFPM14</title>
</song>